- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversBy Pass : Mpanao « pointe » maty navadiky ny fiarany

By Pass : Mpanao « pointe » maty navadiky ny fiarany

Tovolahy iray, manodidina ny 20 taona no namoy ny ainy rehefa navadiky ny fiara nentiny teny By pass ny alin’ny alakamisy lasa teo. Araka ny angom-baovao azo dia teo am-panaovana “pointe” izy sy ny namany  tamin’io fotoana io no nitranga ny loza. Isan’ny fialam-boly  ankafizin’ireo manana fiara matanjaka tokoa ity lalao mampidi-doza sy efa voararàn’ny lalàna ity, izay miendrika karazana fifaninana hafainganam-pandeha eny amin’ny lalam-bahoaka.  Saika ahitana izany foana eny amin’ireo lalana migodana toy ny eny Masay sy By pass. Efa maro ireo nisedra sy nahita loza kanefa mbola maro ihany koa ireo mbola tsy fay, ary anisan’izany ity tovolahy ity sy ny namany. Araka ny fantatra hatrany dia fiara kely iray marika “Peugeot 206” no nentiny tamin’io, ary olona roa izy ireo no tao anaty fiara. Teo am-pandehanana mafy araka izany no nitranga ny tsy nampoizina, satria nisy fiara nifanena tamin’izy ireo. Niezaka ny niala izany ity mpamily saingy tsy voatana ny familiana ary dia nivadibadika tany an-tanimbary ilay fiara kely. Potika tanteraka ity farany ary samy tsy nisy nahatsiaro tena ireo tao anatiny. Nentina namonjy toeram-pitsaboana izy roalahy ireto saingy tsy tàna intsony ny ain’ilay mpamily. Fa olona iray ihany koa no mbola tsy mahatsiaro tena sy tsaboina eny amin’ny hôpitaly rehefa nodomina taxi-be iray tetsy 67ha omaly maraina. Araka ny filazan’ireo teny an-toerana dia toa hoe nanao fanahy iniana nitsoraka teny amin’ity fiara ity ity olona naratra ity. Vaky ny lohany. Vaky torak’izany, ary tsy nisy azo noraisina ihany koa ny “pare-brise”n-ilay fiara. Resaka lozam-pifamoivoizana hatrany, taxi-be iray, nanao “special” no nivadika tetsy Anosy Avaratra omaly hariva. Saika naratra avokoa ireo olona nentin’ity fiara ity. Tsy nisy kosa ny olona namoy ny ainy, araka ny nambaran’ireo mpitandro filaminana, nanao fanadihadiana teny an-toerana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

3 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici