Efa mba mailo ihany ilay olona hivarotra môtô ary nitondra namana roa hafa. Tsy nanakana ireo jiolahy izay fetsy ratsy nanatontosa ny fanafihany anefa izany. Toa izao ny zava-nitranga. Nisy varotra môtô izay nalefa tamin’ny tambajotra sosialy. Nisy namaly tokoa izany ary niantso avy hatrany ny laharan’ny finday an’ny tompon’ilay kodiaran-droa. Teny amin’ny By-pass ny fotoana hanaterana ny môtô rehefa vita tamin’ny finday ny ady varotra rehetra. Teny an-toerana anefa dia nilaza ny mpividy (jiolahy) fa mila hitan’ny ray aman-dreniny vetivety ny môtô alohan’ny hividianana azy. Ireo olon-dehibe ireo dia nolazain’ny mpividy fa mbola ao am-piangonana saingy hivoaka kely vetivety hijery ny môtô dia hanome ny vola. Tonga teny indray dia nilaza ny mpividy fa ny mety kokoa tonga dia any an-tranony no mivantana satria efa lasa any indray ireo ray aman-dreniny. Dia mbola tsy nisy ihany ny fanahiana hatreo satria olona mpiangona no hividy. Tonga teny akaikin’ny trano indray dia mbola narirarira teo saingy namoaka masom-bola tao anaty kitapo kely ny mpividy ary naharesy lahatra ny mpivarotra izany. Tampoka teo anefa dia nisy lehilahy maromaro nivoaka ary sady nanambana basy no nitàna sabatra. Samy nanavotra ny ainy ireo telo lahy nitondra môtô izay tonga saina amin’izay fa jiolahy ny mpividy. Nianjera tany anaty hatsana ary nanivatsiva tanimbary mba ho fiarovana ny aina. Nafoy tanteraka ny fanànana teo dia ny kodiaran-droa izay mitentina 2.8 tapitrisa isanisany. Omaly dia nizara ny sarin’ny môtô tamin’ny tambajotra ny tompony mba ho fanampiana azy ireo amin’ny fikarohana izany. Miroborobo ny halatra môtô ary tena mahazo vahana. Ankoatra ny fidiran’ny jiolahy ao amin’ny toerana izay misy izany, izao koa dia ny tompony mihitsy no fitahina ary tafihana.
D.R