- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversBy-pass : Namoy ny ainy ilay rangahy nofaohin’ny kôrtezy

By-pass : Namoy ny ainy ilay rangahy nofaohin’ny kôrtezy

Kôrtezin’ny fiadidiana ny Repoblika no nandona ilay fiara. Ny alin’ny asabotsy (sivy andro lasa izay), raha avy nividy kojakoja momba ny fiarakodia ny rangahy lehibe iray sy ny olona nentiny tao anaty fiarakodia Renault (4L), no nofaohin’ilay kôrtezy. Fiara tsy mataho-dàlana izay mpanidy ny kôrtezy no nifaoka izany ary nilatsaka tao anaty hantsana avy teo. Faran’izay haingana dia niala tao izany, mazava hoazy mba tsy hahitàn’ny olona betsaka ny zava-nisy ka hampiitatra ny raharaha. Ilay rangahy kosa namoy ny ainy ny zoma lasa teo rehefa nialàna nenina nandritry ny herinandro tany amin’ny hopitaly. Hatreto aloha, mbola sahirana amin’ny fikarakarana ny fandevenana ny olona ary miandry izany ho vita vao hiditra amin’ny raharaham-pitsarana, raha araka ny loharanom-baovao akaiky ny fianakaviana. Tsy voalohany no nisy ny lozam-pifamoivoizana ateraky ny kôrtezin’ny manampahefana, eto An-drenivohitra. Matetika, na nandeha araky ny tokony ho izy aza ny raharaham-pitsarana, dia eo amin’ny fanonerana vola ho an’ny niharam-boina no tsy mandeha amin’ny laoniny. Efa betsaka ny fianakaviana nitaraina tamin’izany. Asa izay hitranga amin’ity indray mitoraka ity…

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici