Nivadika ambony ambany ny sprinter « Ligne E ». Omaly maraina tokony tamin’ny folo ora sy sasany tany ho any, teny amin’ny By-Pass no nitrangan’izany lozam-pifamoivoizana izany. Vokany, mpandeha 32 no indray naratra ka tsy maintsy notsaboina teny amin’ny Hjra. Tao anatin’ireto naratra, dia vehivavy avokoa ny 17, ary nisy zaza vao efa-bolana monja voantsindrin’ny olona nandritra ny fivadihan’ilay fiara. Nanomboka tamin’ny 11 ora, dia nisesy tonga teny amin’ny Hjra ireo naratra. Nisy ny tapaka, teo koa ireo tsy maintsy nozairina teo amin’ny lohany. Niohatra ny tokony ho izy ny isan’ny mpandeha nentin’ity zotram-pitaterana ity, satria dia olona efa ho efapolo no indray nampidiriny. Vao niseho ny loza dia lasa nitsoaka ny mpamily sy ny mpanampy azy ary nentin’izy ireo niaraka taminy ny taratasin’ny fiara. Nampandre ny pôlisin’Alasora avy hatrany ny olona raha vao nitranga ny lozam-pifamoivoizana. Teo ihany koa dia efa nanomboka ny fikarohana ireo mpamily. Tsy maintsy ho hita izy ireo, satria omaly ihany dia efa fantatra ny tompon’ny fiara. Mamono olona hatrany ny tsy fanarahan-dalànan’ny fiara fitaterana.
Kanto R. (stagiaire)