Potika tanteraka ny tavany ary tapaka ny feny. Izay no hitan’ny manam-pahaizana izay nijery ny razana tao ambanin’ny tetezana etsy Mandikanamana, eny By-Pass. Raha araka ny fantatra dia namonjy alim-pandihizana no nialan’ity lehilahy ity tao an-tranony. Nanomboka teo, izany hoe ny alahady farany teo, dia tsy hita intsony izay nanjavonany. Olona sendra nandalo vao maraina teny amin’ny manodidina no nahita fa misy rà eo amin’ny arabe. Rehefa nanopy maso teo amin’ny manodidina dia tsikaritra fa nisy razana tao ambanin’ny tetezana. Nanomboka teo no nisokatra ny fanadihadian’ny mpitandro ny filaminana izay nahafahana namantatra an’ilay tovolahy. Ny fianakaviany no nanazava fa efa nokarohina izy nanomboka ny alahady rehefa tsy nody. Raha ny hevitry ny olona dia novonoina teo amin’ny manodidina ihany izy ary natsipy tao ambanin’ilay tetezana rehefa tsy nihetsika intsony. Niainga tamin’ny fahitàna ireo rà teo akaiky teo izany tombana izany. Misesy ny vonoan’olona ary tsikaritra fa tsy voatery halatra no tena antony. Vao tamin’ny faran’ny herinandro teo no nisy ny mpivady novonoina tamin’ny fomba feno habibiana kanefa hatreto aloha dia tsy voatery halatra ny antony. Ny tsikaritra dia miferinaina hatrany ny olona eo amin’ny andavanandrony. Na ao an-trano aza dia hidina ny varavarana, eny an-dàlana atao aty aloha ny kitapo na fihinina mafy ny paoketra (ho an’ny vehivavy), eny amin’ny làlana mangingina moa dia efa mihazakazaka ny maro rehefa mandalo eny. Torak’izany ihany koa rehefa ao anaty fiara, na izany fiara iombonana na fiara manokana, voatery hidina ny fitaratra na mailo hatrany amin’izay olona eo akaiky. Mbola vokatr’izany fitaintainana izany hatrany dia maty tanteraka ny asa fihariana raha vao mody ny masoandro. Tsy misy afa-tsy ny asaratsy sy ny asa traniny indrindra sisa (fivarotan-tena) na koa ny toeram-pilokana no hany manjaka amin’ny ankapobeny. Toe-javatra izay mampandringa ny fiharin-karena tanteraka, indrindra ho an’ny tany mahantra izay tokony hiasa andro aman’alina sy ao anatin’ny fahalalahana tanteraka…
D.R