- Publicité -
mardi, octobre 14, 2025
AccueilFaits-DiversBy-pass : Olona telo naratra, fiara telo indray nofaohin’ny kamiao

By-pass : Olona telo naratra, fiara telo indray nofaohin’ny kamiao

Omaly hariva no nitrangan’ity lozam-pifamoivizana ity. Fiara nipetraka an-tsisin-dàlana no potika tanteraka rehefa nodomin’ny kamiao iray milanja 30 taonina raha kely indrindra. Fiara Kangoo iray aloha  no voafoaka voalohany. Taorian’izay dia mbola nifatratra tany amin’ny fiara tsy mataho-dàlana hafa izy ary ny niafarany dia nidona tamin’ny fiara kely iray fahatelo. Tao amin’io fiara farany io no nisy naratra miisa telo, izay voatery nentina namonjy toeram-pitsaboana. Fandehanana mafy no nolazain’ny nanatri-maso fa antony nitarika ity lozam-pifamoivoizana ity. Ilay mpamily dia nilaza fa tsy vaofehiny intsony ny familiana ka voatery nivoaka ny lalana ary io nitera-doza io. Tsy ilaozan’ny misy lozam-pifamoivoizana eny amin’ny By-pass, saingy kosa matetika dia ireo fiara kely misetrasetra no tena iharan’izany eny amin’io toerana io. Saingy tamin’ity indray mitoraka dia fiarabe 30 taonina indray no nanao ny nataony…

D.R

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici