Raim-pianakaviana iray 47 taona no maty tsy tra-drano rehefa avy nohosen’ny kamiao, teny amin’ny làlana By Pass Ambohimanambola, omaly maraina. Araka ny fanazavan’ireo nanatri-maso, izay tsy iza fa iray tamin’ireo olona niaraka taminy, tamin’ny fotoana nitrangan’ny loza. Handeha hiasa eny amin’iny toerana iny izy ireo tamin’io fotoana io ka nandeha kamiao ihany koa. Raha vao nivoaka ny fiara avy ao aoriana anefa ity raim-pianakaviana ity, dia nihazakazaka hiampita ny arabe. Tamin’izay indrindra anefa no nisy kamiao iray nitondra fasika avy any atsimo hianavaratra ka tonga dia nandona azy. Tsy avy dia nianjera anefa ity lehilahy ity, fa nisaringotra teo amin’ny lohan’ilay fiara ny akanjony, ka iny no nisintona azy nankany amin’ny kodiarana aorian’ilay kamiao ka nahavoahosy azy teo amin’ny lamosiny. Araka ny fanazavan’ity mpiara-miasa aminy ity ihany, efa niezaka niantso ity niharam-boina ihany izy ireo mba hiverina raha nahatazana ilay fiara iray nipoitra, saingy tsy tana izy fa efa tafaporitsaka ka niafara tamin’izao fahafatesana izao.
T.M.