Nandriaka indray ny rà. Lehilahy iray 26 taona no nitsirara nihosin-drà teo am-povoan’arabe tetsy amin’ny lalan’i By pass, Ambohijanaka, tsy lavitra ilay toeram-pisakafoana malaza iray.
Voadonan’ny fiara ity lehilahy ity, araka ny nambaran’ireo nanatri-maso ary, raha iny izy handeha hiampita arabe iny, tokony ho tamin’ny 12 ora antoandro teo. Tsy hitan’ilay fiara nandona azy mihitsy mantsy ity olona ity raha ny vaovao azo hatrany. Nisy fiarabe nifanena taminy ihany koa tamin’io fotoana io, nanakona tanteraka ilay olona niampita taorianany, ary tsy tana intsony ny loza. Sendra ny lalana malalaka ihany koa mantsy ity fiara fitateram-bahoaka marika « Mercedes Sprinter » ka dia nirimorimo fatratra. Eny fa na dia hiarahan’ny rehetra mahalala aza fa nisy faritra mazava ho fiampitan’ny mpandeha tongotra aza teo amin’io faritra nisian’ny loza io.
Niezaka niala ilay olona ihany ny mpamily saingy efa tara loatra. Mbola voakapok’ny « retroviseur » ihany mantsy ilay niampita. Mafy dia mafy anefa ny dona nahazo azy ka nampihongotra mihitsy ity fitaovana ity, izay nifatratra teny amin’iny fitaratra aloha. Vaky tanteraka ihany koa ny lohan’ilay voadona, izay avy hatrany dia nipitika efa ho metatra maromaro mihitsy ary nitsirara tamin’ny tany, sy tsy nihetsika intsony. Nitangorona avy hatrany ny olona. Tao ny niezaka namonjy ilay tovolahy, saingy efa tsy azo natao intsony ny aminy. Tonga teny an-toerana avy hatrany ireo mpitandro filaminana nijery ifotony ny zava-nisy, ary nitondra ilay mpamily nahavanon-doza, izay natao andrimaso avy hatrany tany amin’iny biraon’izy ireo. Nentina tany amin’iny tranom-paty moa taorian’izay ny razana, ary nomena ny fianakaviana taorian’ny fitiliana natao azy. Tsy vao izao no fantatra fa nitrangana loza nahafaty olona teo amin’io lalana io, fa efa imbetsaka izay, araka ny filazan’ny mponina.
m.L