Ny sabotsy hariva lasa teo, rangahy iray, tokony ho 50 taona teo ho eo no maty voadonan’ny fiara teny By-pass. Toy ny fiara rehetra amin’iny lalana iny dia nandeha mafy ity fiara kely iray. Tamin’io fotoana io ihany koa anefa no nisy mpandeha an-tongotra saika hiampita arabe. Tsy tana intsony, araka izany, ny loza. Voafaoka mafy dia mafy ity rangahy ity, ary nipitika lavitra mihitsy. Voa teo amin’ny lohany izy ary tsy nahatsiaro tena. Ilay fiara nandona ihany tamin’io fotoana io no nitondra azy nankany amin’ny toeram-pitsaboana. Indrisy anefa fa noho ny habetsaky rà very sy ny dona mafy nahazo azy teo amin’ny lohany dia tsy tana intsony ny ainy. Notanana natao famotorana avy hatrany ilay mpamily. Nomena ny fianakaviana kosa ny razana.
D.R