Tokony ho tamin ‘ny sivy ora sy sasany teo no nitranga ny loza ny asabotsy maraina teo. Rangahy iray 43 taona no nofaohin’ny fiara tsy mataho-dàlana teo amin’ny PK2 by-pass. Teo amin’ny lohany no tena voamafy, ka nitarika ny fahafatesany fotoana fohy taorian’ny fahatogavany tany amin’ny toeram-pitsaboana. Nilaza ny olona fa niampita tampoka ity rangahy ity ary mety ho tsy nahita akory ilay fiara izay avy. Teo am-povoan’ny arabe no voadona izy ary teo ihany koa dia hita fa sarotsarotra ny hahavelomany. Notazonina eny amin’ny biraon’ny zandary ny mpamily ary naterina teny amin’ny tranompaty kosa ny razana. Namono olona indray izany ny lalana By-pass, izay tsy azo lazaina fa lalam-baovao intsony, taona maromaro taty aoriana, ka mbola ho vahiny ihany ny olona. Entina hilazana izany fa tokony mitandrina hatrany ny mpamily rehfa mandeha amin’iny làlana iny fa tsy sodokan’ny hatsarany fotsiny dia manararaotra. Efa maro mantsy ny olona namoy ny ainy teo…
D.R