- Publicité SW45 -
vendredi, mars 14, 2025
AccueilFaits-DiversBy-pass : Saofera nahafaty olona nitsoaka

By-pass : Saofera nahafaty olona nitsoaka

Mpandeha an-tongotra no nofaohin’ny fiara iray, ny alin’ny alahady teo. Tsy nijanona akory fa mainka koa notohizany ny lalany raha vao nitranga ny lozam – pifamoivoizana. Nijaly teo am-pitoerana teo ilay lehilahy voahitsaka ary ny niafarany dia lasa hatramin’ny ainy. Raha ny fanazavan’ny mponina dia nisy iray hafa ihany koa nitranga teo an-toerana saingy taloha kelin’io indray. Tamin’ity indray mitoraka ity dia mpivady izay nitaingina môtô no nofaohin’ny fiara. Naratra mafy izy ireo ary mbola tsaboina any amin’ny hopitaly hatramin’ny omaly. Tsy nisy na tsy nampiasa jiro ilay fiara. Izay aloha hatreto ny anton’ny nitarika ny loza, raha araka ny fanazavana hatrany. Maro loatra ny lozam-pifamoivoizana nitranga tato ho ato. Eo ihany ny tsy fitandremana sy ny tsy fandraisana andraikitra ataon’ny mpamily fa hita miharihary koa fa efa antitra avokoa ireo fiara, indrindra ireo fitateram-bahoaka, miasa eto amintsika. Nefa izy ireny dia mbola mahazo alàlana hatrany afaka mifamoivoy. Vokany dia izao saika isan’andro no misy lozam-pifamoivoizana…

D.R

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser