Vao tsy lefy ao an-tsain’ny olona akory ny fisian’ny taxi-be izay nahafaty olona, nahafaty zaza, dia efa nisy hafa nanao lozam-pifamoivoizana sahady koa nandritra ny faran’ny herinandro teo. Ny voalohany tetsy amin’ny By-pass. Taxi-be iray mampitohy an’iny toerana iny amin’ny Renivohitra no nifandona tamin’ny fiara kely iray. Vokatr’izany, olona iray naratra mafy ary tsy nahatsiaro tena. Ny faharoa indray, tetsy Talatavolonondry, taxi-be iray hafa koa izay nitondra mpivavaka marobe no nivadika tanaty hady. Marobe ny naratra tao anatin’izany ary mba tsy nisy ny aina nafoy. Mbola ny faran’ny herinandro teo ihany koa no nisy mpamily taxi-be mamo ka nanaitra ny sain’ny olona izay niantso zandary avy hatrany. Nandray ny andraikiny ireto farany ary nanao ny fanarahana ilay fiara. Najanona ary natao ny fanamarinana ary dia hita tokoa fa olona mety hitera-doza indray no teo amin’ny familiana. Nampidirina “violon” avy hatrany izy ireo. Nisy ny fepetra noraisin’ny fanjakana raha nitranga ilay loza nahafaty mpianatra tetsy Mahitsy. Nikasika ny fisintonana “permis” sy fampiatoana ny koperativa ary koa ny fanasaziana ny tompon’andraikitra teo amin’ny familiana no tena nisongadina. Ampy ve izany ary ny fivadihana ho “permis biométrique” ve no tena tokony ho laharam-pahamehana sa ny fisivanana ny mpamily?
D.R/r.s