Vao maraina omaly dia efa sosotra ny mpampiasa làlana tetsy amin’ny By pass mifanandrify amin’Ankadievo. Ny antony dia notapahina ny làlana kanefa tsy nisy nahalala an’izany fanapahan-kevitra izany. Tao anatin’ny fotoana famonjena fianarana sy birao mihitsy ny lera izay naha-tapaka ny làlana. Samy niakatr’afo avokoa na ny mpandeha taxi-be na ny nitondra fiara manokana ary koa ny mpamily rehetra. Nanomboka nigonongonona izy ireo ary vetivety dia nivoaka ny fiara ka nivondrona hoazy. Niakatra ny feo ary saika lasa lavitra ny raharaha raha tsy nanapa-kevitra haingana ny tompon’andraikitra tamin’ny fanamboarana ny namaha ny làlana. Taorian’izay vao nisy ny fivoriana tetsy sy teroa ary nisy fanapahan-kevitra hafa dia ny hanapahana ny làlana amin’ny ora voafetra mandram-pahavitan’izany izay mbola misy andro maromaro. Raha vaovao azo dia misokatra ny làlana amin’ny enina ka hatramin’ny folo ora maraina. Avy eo izany dia ho tapaka ary miverina misokatra indray amin’ny enina ora hariva mandram-parain’ny andro. Omaly vao nivoaka ofisialy izay fandaminana izay ary raha tsy ny olona no tezitra sy nivoaka tamin’ny fahanginany, tsy tonga saina angamba ny tompon’andraikitra fa tsy tapatapahana fotsiny amin’izao ny fifamoivoizana. Indrindra koa eny amin’ny làlana izay tena be mpampiasa. Na ny kaominin’Alasora na ny kaomisaria dia samy talanjona toa ny rehetra rehefa nahita ny fapatahan-dàlana. Teo vao samy niezaka nitady vahaolana avokoa sy nijery izay marimaritra iraisana. « Ekena ary deraina ny fanamboaran-dàlana satria izany no isan’ny olana lehibe ho anay mpampiasa fiara. Saingy mila fandaminana izany satria misy fiantraikany avy hatrany amin’ny andavanandronay » raha araka ny fanazavan’ny mpitatitra iray izay isan’ny nitsatoka teo amin’ny Bypass nandritry ny ora maromaro omaly. Mila maka lesona ary mianatra bebe kokoa ny fandaminan’asam-panjakana izay mety ho tompon’andraikitra…
D.R