Dia nitombo iray indray ireo olona niharan’ity herisetra amin’ny alalan’ny “bois rond” ity. Tovolahy, mpianatra eny Ankatso, handeha hamonjy ny toeram-pianarany no naratra mafy tokoa nisy nively tamin’ny hazo, teny amin’iny lalan’i By pass iny, omaly maraina. Tokony ho tamin’ny 5ora sy sasany maraina teo no nahavoa azy araka ny filazan’ireo mponina teny an-toerana. Angamba ny hamono mihitsy no tanjon’ireo olon-dratsy. Raha ity tranga ity mantsy dia ny lohany mihitsy no nokendren’ireo mpidaroka, saingy raha ny fantatra dia somary nahay niala izy, ka ny nanandrify ny tarehiny no voa, izay nivoa-drà sy nivonto tanteraka. Voavonjy ara-potoana ihany ny tovolahy, raha ny vaovao hatrany, rehefa nentina namonjy toeram-pitsaboana haingana. Asan-jiolahy tsotra sa ilay tranga teny Ivato no tonga aty an-drenivohitra ? Fanontaniana mila valiny aloha hatreto. Fa raha ny voamarika tato ho ato izay dia saika ireo mpianatra eny Ankatso indray no lasibatra an’ity herisetra ity. Fanintelony amin’ireo mpianatra eny amin’ny Anjerimanontolo lasibatra mantsy ity tovolahy voa ity, tato anatin’ny herinandro vitsy izay, raha tsy hiteny afa-tsy ilay tovolahy sy ilay tovovavy voa teny an-toerana. Marihina ihany koa fa tsy maka n’inona any amin’ireo olona darohany ireo olon-dratsy fa toa faly fotsiny, mandatsa-drà ireo hazany. Manoloana izao tranga eny amin’iny lalan’I By pass iny, dia velon-taraina ihany koa ireo mponina ny amin’ny lasa fisian’ny mpanendaka eny amin’ireo faritra maromaro eny an-toerana, izay manao ny ataony, raha vao harivariva fotsiny ny andro.
m.L