- Publicité SW45 -
jeudi, décembre 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversBypass : Bar feno olona voatafika

Bypass : Bar feno olona voatafika

Ao anatin’ny fotoana sy toerana be olona no raikitra ny fanafihana.

Isan’ny toeram-pisotroana tena malaza sy be olona andro aman’alina ilay voatafika. Ny antony dia eo aminy ny labiera mora vidy indrindra eto an-drenivohitra. Betsaka arak’izany ireo mpankafy io karazam-pisotro io no mahavita manatona eny amin’ny Bypass ary mankao an-toerana. Tsy dia noeritreretina firy ny hoe hisy sahy hanafika io toerana io noho izy misy mpanjifa hatrany, na vao maraina aza. Ny andro sabotsy no tena betsaka olona ao, indrindra ny hariva sy ny alina. Fa tamin’iny fotoana iny indrindra no tonga mpanafika. Tokony ho tamin’ny valo ora alina, efa-dahy mirongo sabatra no niditra ary namoaka izany teo imason’ny rehetra. Nisahotaka ny olona ary na ny vatan-dehilahy efa nentin’ny “mafana” aza tsy nisy sahy niditra fa nitsoaka nanavotr’aina niala teo an-toerana. Ny mpivarotra no tena lasibatr’ireo ary lasa ny vola izay tao anaty fitoerany. Vao afaka teo ny mpanjifa sasany dia nanaparitaka ny zava-nisy tamin’ny tambajotra sosialy mba hampitandremana ny olona. Raha tsiahivina dia vao ny andro vitsy talohan’io koa nisy fanafihana izay nitranga teo Ankadindratombo ary nahafatesana olona. Noraisina avokoa ny fepetra rehetra mba hamerenana ny filaminana ary isan’izany ny didim-pitondràna izay mametraka an’Alasora sy ny manodidina ho “couvre-feu”. Isan’ny voakasika manokana amin’izany ny toeram-pilanonana sy fisotroana toaka na bar. Mihidy amin’ny sivy ora alina avokoa noho ny didim-pitondràna izay noraisin’ny kaominina. Mbola tsy nahasakana ny asan-jiolahy ihany anefa izany satria nandray ny fepetra nifanandrify azy koa izy ary nalefany adiny iray mialoha ny fidian’ny bar indray ny fanafihana ary nikisaka kely an’Ankadindratombo fotsiny izy ireo. Ny tena mampihoron-koditra dia teo amin’ny toerana be olona hatrany no nisy ny fanafihana indroa mifanesy. Ny mby tao an-tsain’ny maro dia ny hoe raha toerana vitsy olona izany dia vao maika mahazo vahana ireo olon-dratsy izay tsy misy tahotry ny ainy intsony. Ny faran’ny herinandro teo dia feno mpitandro ny filaminana mifamezivezy teny amin’ny Bypass sy ny manodidina, mazava hoazy mba ho fanamarihana fa vonona ny hiady amin’ireo mpanafika izy ireo. Na izany aza anefa any amin’ny fanangonam-baovao miafina no isan’ny tsara hamafisina. Hatreto mantsy dia nahomby hatrany ny fandefasana mpitandro ny filaminana manao fanamiana sivily ary mijoko sy mihaino ireo mpanao ratsy.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici