Indroa voa ny mponina manodidina ny Bypass. Voalohany dia ny fahatapahan-jiro lavareny izay maharitra hatramin’ny telo andro indraindray. Rehefa miverina indray io dia miaka-midina ny herinaratra. Rehefa midina dia tonga hatrany amin’ny 90V any ary manimba zavatra maro. Rehefa miakatra indray, indrindra ilay vao miverina iny ny jiro, dia tafakatra hatrany amin’ny 340V tampoka mandritra ny fotoana fohy. Fa ny tena matetika be dia ilay fidinany. Samy manimba fitaovana ireo tranga roa ireo ary ny olona monina eny dia efa velon-taraina avokoa noho ny fahasimban’ny kojakoja elektronika. Betsaka ireo mivelona amin’ny asa-tànana ary miankina amin’ny herinaratra. Mazava ho azy fa lasa miteraka olona amin’ny fitadiavan’izy ireo izany. Velon-taraina tanteraka ny olona eny noho ny afitsok’io olana izay tsy mbola hita mazava izay mety ho vahaolana hatreto. Nisy ny voatery nividy « groupe électrogène » na koa nampiditra jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro. Tsy ny rehetra anefa no manana izay fahafahana izay ary na ireo koa aza dia mbola mitaraina, satria midangana ny lany, indrindra raha sady mampiasa Jirama. Manimba zavatra maro eny an-toerana ity olana amin’ny herinaratra ity.
D.R



