- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversBypass : Faty hita tao anaty tatatra

Bypass : Faty hita tao anaty tatatra

Taitra ny mpandeha an-tongotra vao maraina raha nahita razana tao anaty tatatra. Tetsy amin’ny Bypass, mifanandrify amin’ny kianja fanaovana fanatanjahan-tena antsoina hoe Ankazobe. « Nisy tokoa ny fahitàna razana kanefa mbola tsy fantatra mazava izay tena zava-nitranga. Tsy nisy ratra ilay olona maty raha araka ny hita teny an-toerana », hoy ny fanazavan’ny polisy miadidy iny faritra iny. Etsy andanin’izany, nisy ny fizarana tamin’ny tambajotra sosialy fa nisy fiara nandeha mafy ka nandona azy, ka nitarika ny fahafatesan’io olona io. Raha io fanazavana io no raisina dia miloko manga ilay fiara. Natsipin’ny olona tao anaty tatatra ilay razana ary nitsoaka izy ireo avy eo. Nampian’ilay fizaram-baovao tamin’ny tambajota sosialy hatrany fa raim-pianakaviana namela vady sy kamboty anakiroa io namoy ny ainy io. Nivoaka hatramin’ny sarin’ilay rangahy fony fahavelony aza. Izany hoe azo heverina fa tena olona akaiky azy no nizara ny vaovao. Azo eritreretina koa fa nanao ny fanadihadiana mifanandrify aminy izy ka nahafahany nilaza fa nodomin’ny fiara ary natsipy tanaty tatatra ilay olona. Raha mitombina izany dia tsy lozam-pifamoivoizana intsony no nitranga fa vonoan’olona. Mendrika fanadihadiana lalina, satria lasa fanaon’ny olona ity mitsoaka andraikitra ity rehefa mandona na mahafaty olona amin’ny fiara.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici