- Publicité -
dimanche, juillet 13, 2025
AccueilFaits-DiversBypass : Mpaka an-keriny fito voasambotra, iray maty

Bypass : Mpaka an-keriny fito voasambotra, iray maty

Tambajotran-jiolahy mpanao fakàna an-keriny iray indray no ravan’ny pôlisy. Miisa fito mianadahy ireto voasambotra ireto ka ny efatra tamin’izany no tena mpandray anjara mivantana. Araka ny fantatra dia teratany karàna iray no nisy naka an-keriny teny Isotry ny faran’ny vola aogositra lasa teo. Ny voalohandohan’ny volana teo anefa dia hita teny amin’iny faritra Bypass iny ihany ity olona nisy naka an-keriny ity, rehefa votsotra teo am-pelatanan’ireo olon-dratsy izay nifanenjahan’ny pôlisy. Samy tafaporitsaka anefa ireo olon-dratsy tamin’io fotoana io. Ny ampitson’io andro io indray anefa dia nahitana fatin’olona teny amin’ny toerana nisian’ny fanenjahana. Fantatra fa jiolahy rain-dahiny efa ela nifampitadiavana ity olona ity. Namoy ny ainy, rehefa latsaka tao anaty dobo nisy rano, angamba tao anatin’ny fifanenjehana. Naterina tany amin’ny tranom-paty ny razana nony avy eo ka ny fisian’ny havany saika haka ilay razana no niaingan’ny fanadihadiana. Fantatra fa mpiray tsikombakomba tao anatin’ilay fakàna an-keriny ny sasany tamin’ireto havan’ny maty ireto. Miisa telo izy ireo. Ireto farany indray avy eo no nanoro ireo tena mpiray tendro tamin’izy ireo, izay tsy iza fa ireo tena mpandray anjara nivantana tao anatin’ilay fakàna an-keriny. Tamin’ny fanadihadiana natao ireto farany no nahafantarana fa “villa” iray eny Iavoloha eny no nanafenan’izy ireo ilay karàna. Ambonin’izay ihany koa dia fantatra fa isan’ny nandray anjara tamin’ilay fakàna an-keriny karàna tao an-drenivohitr’i Toamasina izy ireto, herintaona lasa izay. Mbola misy naman’izy ireo karohin’ny pôlisy hatreto, raha ny filazan’ireo tompon’andraikitra hatrany. Natolotra ny Fampanoavana omaly ihany moa ireto jiolahy mpaka an-keriny ireto.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici