Namono olona indray ny lozam-pifamoivoizana tetsy amin’ny Bypass. Tokony ho tamin’ny 11 ora antoandro, omaly, no voahitsaky ny kamiao ilay lehilahy iray nitondra kodiaran-droa. Raha araka ny filazan’ny manodidina dia nianjera ho azy teny ambony moto ilay olona. Nisy fiara nanaraka anefa taoriana ary tsy tafajanona satria akaiky loatra. Voahitsaka ary maty tsy tsa-drano. Nosaroman’ny olona lamba mba tsy hampitangorona loatra ny mpandalo. Napetraka eny amin’ny mpitandro ny filaminana kosa ny kodiaran-droa mba ho fiarovana izany. Tonga teny an-toerana ny mpitandro ny filaminana ary nanao fitsirihina ifotony mba hahafahana manokatra fanadihadiana. Izany rahateo no hamaritra ny tena anton’ny loza. Hatramin’ny omaly aloha dia noheverin’ny olona fa fanina teny ambony moto ilay lehilahy ary izay no mety nampianjera ho azy azy. Ny valin’ny fanadihadiana no mety hanamarina na tsia izany. Na izany aza dia betsaka izay mpandeha moto efa maty na nitondra takaitra teny amin’ny Bypass izay. Eo ihany ireo moto tia mandeha mafy fa ny tsikaritra koa dia misy ireo fiara tsy miraharaha firy ny fisian’ny kodiaran-droa. Matetika mitera-doza izany.
D.R