- Publicité -
dimanche, juillet 13, 2025
AccueilFaits-DiversBypass : Nirefotra ny basy, 15 lahy indray nanafika

Bypass : Nirefotra ny basy, 15 lahy indray nanafika

Notifirina ny varavarana, noratraina ny olona tao an-trano. Ilay toerana anefa dia mba voaaro tsara ihany, satria sady mifefy vy mihorongorona ankoatra ny tambohobe. Notapahan’izy ireo izany ary tafiditra tao an-tokotany ireo. Etsy an-danin’izany, vitan’ireo olon-dratsy tao anatin’ny fotoana fohy koa ny nanapaka ny « fil » izay mampandeha ny « camera de surveillance ». Midika izany fa jiolahy  efa vonona ny hanafika ary mahafantampatantra ny momba ny toerana izay nataony lasibatra ireto olon-dratsy ireto. Tokony ho tamin’ny roa ora maraina no nigadona tao amin’ilay toerana ary raha vao tafiditra tao an-trano, dia nofatorana avokoa ireo olona rehetra tao. Sady nambanana basy ihany ary tena nohorohoroina tanteraka. Tsy nisy sahy namaly ireo, satria sady vitsy no koa hitan’izy  ireo ny nitifirana ny varavarana sasany. Midika izany fa tsy hisangy mihitsy ny anton-diany ary tsy misy antra. Noraofina ny vola tao an-trano, ny firavaka ary koa ny kojakojan-tokantrano isan-karazany izay azo nobataina. Na efa nangina aza ny olona, dia mbola nisy ihany ny voavely tamin’ny vodibasy sy ny « bar à mine » ka naratra. Na ny alika izay mpiambina tanàna aza dia notifirin’ireo olon-dratsy avy hatrany. Manaporofo hatrany izany, fa efa tena nivonona ny hanafika izy ireo. Ary hatreto mety ho azo heverina fa tsy haka ny fananana fotsiny ihany ny tena anton-dia, fa ny hifofo ny ain’ny olona tao an-trano. Raha araka ny fanazavana azo momba ity raharaha ity mantsy, dia efa teo am-piomanana ny hamono izy ireo no nihetsika ny teo amin’ny manodidina izay nandre ny poa-basy, ka niantso ny mpitandro ny filaminana. Izany no nanaitra ireo jiolahy izay nanao tari-dositra avy hatrany.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici