- Publicité SW45 -
jeudi, juillet 4, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversBypass : Nizara roa ilay mpitaingina moto

Bypass : Nizara roa ilay mpitaingina moto

Nobataina ny tapany ambony dia avy eo indray ny tapany ambany. Nizara roa ara-bakiteny ilay lehilahy manodidina ny 30 taona. Tetsy amin’ny Bypass indray, mifanandrify amin’ny sampanan’Alasora no niseho ny lozam-pifamoivoizana namoizana ain’olona. Raha araka ny vaovao nampitain’izay nanatri-maso dia nisy familiana tsy voafehy ka nifandona tany amin’ny kamiao ny kodiaran-droa scooter nitondra olona roa. Samy nanidina avy eny amin’ny scooter ireo lehilahy roa saingy ny iray kosa nifatratra tany ambanin’ny kamiao nandeha ary dia notetezin’ny kodiarana. Feno rà ny làlana ary tena tohina tanteraka izay nahita, eny fa na hatramin’ny mpitondra ny filaminana izay nijery ifotony teny an-toerana aza. Tsy nisy na inona na inona azo natao ankoatr ny nandrakotra lamba ilay razana izay nizara roa. Ilay lehilahy fanindroany kosa, izany hoe ilay mpanamory ilay kodiaran-droa, dia velona soa aman-tsara na dia nisy faharatràna aza ny vatany. Mazava ho azy fa amin’ny tranga toa itony dia tsy maintsy misy ny fanadihadiana nosokafana ary dia nalaina am-bavany ny tao anaty kamiao. Raha misy tranga isan’ny mahafaty olona be indrindra eto an-drenivohitra, ankoatra ny aretina, dia ny lozam-pifamoivoizana ateraky ny kodiaran-droa. Ny nitondra faisana koa dia tsy latsa-danja satria saika isan’andro no misy entina ao amin’ny sampana famelomana aina eny amin’ireny hopitaly ireny. Tsy afa-miala amin’ny moto intsony anefa ny olona maro satria io no mba afaka hialany amin’ny fitohanan’ny fifamoivoizana ary koa mba azo irirànana amin’ny fandaniana solika. Dia lasa miady aman’aina isan’andro manoloana ny làlana feno lavaka, ny fiara tsy mandefitra, ny olona miampita tampoka sy ny antony maro samihafa izay miteraka lozam-pifamoivoizana. Na izany aza anefa, betsaka koa ireo tanora mpisetrasetra amin’ny kodiaran-droa.  

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici