- Publicité -
lundi, juin 16, 2025
AccueilFaits-Divers“Camp Robin” : Misandoka ho vazaha,hisolokiana gasy

“Camp Robin” : Misandoka ho vazaha,hisolokiana gasy

Tsy ampoizina velively ity endrika fisolokiana ity, kanefa dia efa maro voafitaka amin’izany. Ireny olona mivarotra fiara ka alefa amin’ny gazety misahana an’izany no tena matetika voasoloky. Toa izao ny fandehan’ny raharaha. Misy olona miantso ilay laharana finday napetraka ary milaza izy fa vazaha ary ny fiteniny rahateo dia amin’ny teny vahiny rano iray. Tamin’ity indray mitoraka ity dia milaza ho Amerikana ilay olona ary Anderson ny fiantso azy. Tafaroboka tanteraka ilay mpivarotra fiara, satria sady vazaha no hividy , ny fiteny ihany kao tena ohatr’ireny vahiny ireny mihitsy. Tsy mbola fantatra aza raha tena vahiny, ny fanadihadiana no hanamarina an’izany. Amin’ny fotoana izay hifanaovana dia miantso indray ilay laharana, saingy olon-kafa no miteny ao. Milaza ho dokotera malagasy izy ary nanazava fa nisy nanolana ilay vazaha ary ny vadiny dia maratra mafy, miady amin’ny fahafatesana. Manazava ilay “mpitsabo” eo fa ny laharan’io olona (mivarotra fiara) no hita farany tao amin’ny findain’ireo “vazaha”, izay no antony niantsoany. Lazainy fa raha tsy tonga anio any an-drenivohitra ireo olona ireo dia ahiany ny hahafatesany. Dia izy no mifampiraharaha amin’ireo olona mba handefa izay azony atao. Tamin’ity indray mitoraka ity dia ontsa tanteraka ilay olona natao remby ka nandefa vola hatao solika hitondràna ny marary aty an-drenivohitra. Tsy izany ihany aza fa mbola nisy ihany koa ny fandefasana fahana sns. Rehefa mba niezaka niantso ilay voasoloky, izay tsy mbola nahalala akory hoe voasoloky ny tenany, dia na tsy mandray antso ilay olona na maty ny finday. Rehefa namarinina tany amin’ny mpitandro filaminana anefa, tsy nisy fanafihana vazaha nitranga izany tao “camp Robin”. Nazavan’ireo zandary aza fa efa maro ny olona voafitaka toa izany ary mitovy hatrany ny fitrangan’ny fisolokiana. Fantatra ny anaran’ny olona rehetra manodidina an’ity raharaha ity ary azo sokafana tsara ny fanadihadiana…

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser