- Publicité SW45 -
jeudi, juillet 4, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversCannibal Tanjombato : « Faty olona » nifono lamba

Cannibal Tanjombato : « Faty olona » nifono lamba

Hatairana tsy nisy toy izany ny an’ireo mponina teo amin’ny faritra antsoina hoe Cannibal, teny Tanjombato teny omaly maraina. Teo amin’ny sisin-dalàna, anaty fonosan-damba, nahitàna zavatra lavalava miendrika vatan’olona. Rehefa notomorina akaiky anefa dia tena olona, saingy olona efa tsy niaina intsony. Raikitra ny sahotaka« misy fatin’olona mifono lamba eo amin’ny Cannibal ». Vetivety dia nitangorona ny olona ary poa toa izay ihany koa ny fahatongavan’ny zandary, avy etsy Soavina, rehefa nampandrenesina.

Nilamina vetivety anefa ilay sahotaka teo ary nivadika ho famonjena aina indray ilay saika ho famotorana tamina fahitàna faty teo. Rehefa notiliana akaiky mantsy dia olona tsy nahatsiaro tena vokatry ny harerahana sy ny hanoanana ity nolazaina fa olona maty ity. Nezahina nentina haingana namonjy toeram-pitsaboana moa ity farany. Izy tsy iza fa olona mpirenireny avy any amin’iny faritra Menabe iny, saika mazana hitan’ny olona eny amin’iny faritra iny. Tsy manan-kavana eto an-drenivohitra izany tovolahy izany ka nisy ny fandraisana fanapahan-kevitra ny hanatitra azy eny amin’ny Akamasoa, aorian’ny fitsaboana. Marihana fa avotra soa aman-tsara ity farany taorian’ny famonjena nataon’ny zandary azy.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici