
Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina indray, tamin’iny lalam-pirenana faharoa iny, omaly folakandro. Fiarabe mpitatitra entana iray no nivadika, teo Nandihizankely Carion, rehefa tsy voatanan’ny mpamily intsony. Vokany, namoy ny ainy ity farany, olona roa hafa kosa no avotra tao anatin’izany. Araka ny fampitam-baovao azo avy tamin’ny zandary misahana iny faritra iny, dia fiarabe handeha hiakatra aty an-dRenivohitra izy io, avy any an-drenivohitr’i Bezanozano avy any, nitondra arina fandrehitra amina gony maromaro. Feno hipokipoka mihitsy. Somary mihodina sy midina io làlana nitrangan’ny loza io hoy ny fanazavana. Tamin’io fotoana io anefa dia nitrangana olana teknika ny fiara, izay efa somary antitra ihany. Voalaza fa nilaozan’ny hisatra tanteraka kanefa hidim-pidinana ary mety ho nandeha mafy ihany koa. Niezaka nanarina sy nampijanona ny fiara ihany ny mpamily, saingy tsy tana noho ny vesatra, izay mety ho azo heverina ihany koa fa mihoatra ny tokony ho izy. Niafara tamin’ny fivadihany moa ilay fiara. Ankoatra ny fahasimban’ny fiara, izay tsy nisy noraisina mihitsy ny lohany, dia aina iray no nafoy. Tavela tao anatiny ary voatorotoro ny korotam-by tao ny mpamily, lehilahy 40 taona. Voatery nosokirina tao mihitsy aza ny vatana mangatsiakany. Afa-doza kosa ireo olona roa hafa niaraka taminy, izay nahitana faharatrana kely ihany. Tonga nijery ifotony ny zava-nitranga teny an-toerana moa ireo zandary avy ao amin’ny “poste avancé” Carion ary nandray an-tànana ny raharaha.
m.L