Nisehoana lozan-dalamby ,ny alakamisy alina teo, teny Carion. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny mpitandro ny filaminana, dia tokony ho tamin’ny 9ora alina teo no nisehoan’ny loza, teo amin’ny sampanana Angavokely. Kamiô roa no nifanaraka tamin’izay fotoana izay. Tamin’io ora sy fotoana io no nisy lamasinina nipoitra avy any. Efa tafadika an’ilay lalam-by ilay kamiô voalohany, no mbola nanaraka ilay taoriana. Tsy tana intsony ny fifandonana. Na izany aza anefa, tsy nisy ny aina nafoy, na ny olona naratra. Nahitana fahasimbana betsaka kosa ny vodin’ilay kamiô sy ny lohan’ilay lamasinina. Tonga teny an-toerana avy hatrany ny mpitandro ny filaminana avy ao Carion. Nanaraka azy taty aoriana ny pôlisin’ny gara izay niantsoroka ny fanaovana fanadihadiana ny momba an’ity loza ity.
m.L