- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversCarion : Taksibrosy nidona, olona iray maty, 11 naratra

Carion : Taksibrosy nidona, olona iray maty, 11 naratra

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray ny teny amin’iny lalam-pirenena faha-2 iny ny alatsinainy maraina lasa teo. Taksibrosy iray hiakatra  hankaty an-drenivohitra no nidona tamina andrin-jiro tetsy Cario. Olona iray no maty vokatr’izay loza izay, raha mpandeha 11 kosa no naratra mafy ka voatery nentina tany amin’ny toeram-pitsaboana. Raha ny loharanom-baovao azo dia taksibrosy mampitohy an’i Moramanga sy Antananarivo ity fiara niharan-doza ity. Ankevitry ny nisy olana tao amin’ny lafiny teknikan’ny fiara angamba no nahatonga azy hivantana avy hatrany teny amin’ny andrin-jiro. Saika naratra avokoa ireo mpandeha rehetra tao anatin’ity fiara ity fa ireo tena voa mafy kosa, izay nahatratra teo amin’ny 11 teo dia efa nalefa teny tamin’ny toeram-pitsaboana. Olona iray kosa, noho ny habetsaky ny rà very taminy  no tsy tody intsony tany amin’ny toeram-pitsaboana fa namoy ny ainy teny an-dalana. Efa eo an-dalam-pamotorana mikasika ny loza ireo mpitandro filaminana eny an-toerana.

Hafa koa. Olona dimy indray kosa no naratra vokatry ny lozam-pifamoivoizana nahazo azy teny amin’iny lalam-pirenena faha-4 iny, teo Andranovelona, distrikan’ Ankazobe, omaly maraina tokony ho tamin’ny 5ora sy sasany tany ho any. Raha ny fantatra dia fiara iray tsy mataho-dalana, nentina vehivavy iray no nandeha mafy. Tsy nahatana ny familiana intsony ity farany, raha tojo fiolahana, ka nivarina tany an-kady. Vokany samy naratra avokoa ny olona dimy tao anatin’ity fiara ity ka ny roa tamin’izany no tena voa mafy, izay tsy maintsy nalefa haingana tao amin’ny hôpitaly Mahitsy raha ny loharanom-baovao hatrany. Manoloana ny lozam-pifamoivoizana miseho etsy sy eroa, izay mety hamoizana ain’olona, diatokony hitandrina foana ny tsirairay.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser