Roalahy izay efa kalaza amin’ny resaka fangalarana fiara « mazda », no voasambotry ny zandary avy ao amin’ny kaompania Imerina Central. Ny voalohandohan’ny volana teo, fiara « mazda » iray, taxi-brousse mpampitohy an’i Moramanga sy ny Renivohitra no nanjavona, teny Carion. Nametraka fitarainana avy hatrany tany amin’ny zandary ny tompon’ny fiara. Nanomboka teo ny fitadiavana sy ny fanadihadiana. Ny herinandro teo, tratra teny am-pelan-tànan’ olona iray ity fiara ity ary efa saika handeha hamidy. Raha ny fanazavana azo, dia efa za-draharaha amin’ity halatra sy fivarotana fiara halatra ity ireto olon-dratsy ireto. Tsy manova ny fiara angalariny ireto olona ireto raha ny fantatra fa ny taratasy rehetra no ataony hosoka avokoa. « Manamboatra kara-panondro sandoka amin’ny anaran’ilay olona misoratra ao anatin’ny taratasin’ny fiara izy ireo ary milaza fa tompon’ny fiara, ka hivarotra izany ». Nosamborina avy hatrany ity olona ity. Tamin’ny fanadihadiana nataon’ireto zandary ireto no nanondroany ny namany iray, izay mpiray tsikombakomba aminy. Voasambotra teny amin’iny faritra Itaosy iny ity namany iray ity. Araka ny fanazavana azo hatrany, dia samy efa nigadra noho ity resaka halatra fiara ity ireto roalahy ireto. Ny iray aza vao nivoaka ny fonja ny volana janoary lasa teo, kanefa dia izao mamerina izao sahady. Efa maty paika tanteraka ny tetikadin-dry zalahy amin’izany fangalarana « mazda » izany. Saingy mbola tsy nahaleo ireto mpitandro filaminana efa za-draharaha izany ka dia izao voasambotra izao ihany. Ny sabotsy teo ihany ireto mpangalatra fiara ireto dia efa natolotra ny Fampanoavana ary inoana fa hidoboka am-ponja indray.
m.L