- Publicité -
samedi, juin 21, 2025
AccueilFaits-DiversCarlton Anosy : Nasaina navoaka ny olona, efa niatrana ireo mpamonjy voina

Carlton Anosy : Nasaina navoaka ny olona, efa niatrana ireo mpamonjy voina

Hatreto dia tsy fantatra mazava izay niseho tao amin’ny Carlton Anosy, omaly antoandro. Nasaina nivoaka avokoa mantsy ireo olona rehetra tao amin’io hôtely lehibe io, na ireo mpanjifa na ireo olona saika hivory, eny fa na hatramin’ireo mpiasa tao aza. Efa niatrana teny an-toerana ihany koa ireo kamiôben’ny mpamono afo, an-dry zareo mpamonjy voina. Fanontanina nipetraka teny am-bavan’ny maro ny hoe : fa nisy inona ? Tokony ho tamin’ny 11 ora antoandro teo tokoa mantsy dia naneno voalohany sy nanaitra ny maro ilay anjomara, mampahafantatra ny fisiana fahamaizana tao amin’ilay hôtely. Naneno faharoa izany, ary naneno fanintelony naharitra elaela kokoa. Nasaina nivoaka avokoa ireo olona rehetra tao amin’ny Carlton. Tsy nisy afaka nandeha « ascenseur » anefa fa nasaina nindrana ny tohatra fivoahana raha misy loza teny ivelan’ny trano. Tety ivelany avokoa vao nifampanontany ny zava-misy. Fanazaran-tena ve sa fanairana tsy mitombina ? Na izany na tsy izany aloha dia nampiteraka fikorotanan-tsaina sy savorovoro teo amin’ny besinimaro ity tranga niseho teny Anosy ity.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser