- Publicité -
jeudi, décembre 4, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-Divers“Carnaval de Noel” eto Toamasina renivohitra : Niatomboka omaly ny lanonana haharitra...

“Carnaval de Noel” eto Toamasina renivohitra : Niatomboka omaly ny lanonana haharitra efarana

Nosokafana teo amin’ny toerana malalaka ny lapan’ny Tanana, ny hetsika andiany voalohany amin’ny “Carnaval de Noel” eto Toamasina renivohitra ; izay tsy hifarana raha tsy ny 23 desambra ho avy izao. Hetsika ifangaroan’ny  sosialy sy  zavakanto ary  fanatanjahantena ny hetsika izay hifanohanan’ny fikambanana “Tamiagna” tarihan’Atoa Aimé Sabotsy José sy ny orinasa Rasolo Export ary ny amin’ny fanampiana goavana ataon’ny “The Way”. Mbola niverina nandritra ny fotoam-panokafana omaly ihany, fa tsy misy idiran’ny  politika izay hetsika ataon’ny fikambanana “Tamiagna” sy ny orinasa Rasolo Export izao, fa tena finiavana hanome lanonana miavaka ny vahoakan’i Toamasina rano fotsiny amin’izao an-katoky ny fetin’ny krismasy sy ny faran’ny taona ary ny fidirana ao anatin’ny taona vaovao 2019 izao. Misy noho izany ny hetsika maro hokarakarain’izy ireo, mandritra io efarana io, ka isan’ireny ny fampiratiana, rindran-kira samy hafa ifangaroan’ny hiran’ny tanora sy ny lehibe, ary ny fanomezan-kasina ireo nahavita be tamin’ity taona 2018 ity teto Toamasina ho an’ny mpanao fanatanjahan-tena sy ny asa fanaovan-gazety. Hisy koa mandritra ny hetsika ny fanaovana ny “tombola” lehibe ; izay misy fandraisana anjara mirary, 2.000 ariary, izay mety hahazoana moto   folo ireo,  sady tsara no matanjaka hozaraina amin’ireo tsara vintana ary fiara tsy mataho-dalana iray no loka goavana mandritra izany hetsika izany. Ankoatra ity “tombola” hany, misy fandraisana anjara hataon’ireo miatrika ny lanonana rehetra ao anatin’ny efatra andro, dia maimaimpoana avokoa ireo seho an-tsehatra eo anoloan’ny lapan’ny Tanana, izay andraisan’ireto tarika ireto anjara, ny tarika Kapepeky – ny tarika Lion-Hill – Elly Derosse – Oza Jerome – G4Tro…ary ireo tarika maro efa nanaiky ny fifanohana amin’ny fikambanana “Tamiagna” sy ny orinasa Rasolo Export.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici