Noho ny firaisan-kinan’ireo mpitrandraka vao tao Mangarano, distrika Antsirabe II, ary ny herim-pon’ireo mpitandro filaminana, tsy tontosa ny fanafihana saika ho nataon’ireo jiolahy am-polony maro, tonga tao an-toerana ny alin’ny alatsinainy hifoha talata teo. Hatreto raha ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary any an-toerana dia tafiakatra efatra ireo voasambotra, tamin’ireo 20 lahy nanafika tao amin’ity toerana fitrandrahana vato ity.
Niteniteny tokoa ny basy tamin’io alina io. Saika hanapoka ireto fokonolona kely, mpitrandraka vato ireto mantsy ireo jiolahy mitam-basy no nisy nahatsikaritra. Tokony ho tamin’ny 12 ora alina tany ho any no nanao amboletra tao amin’io toerana io ireto olon-dratsy ireto. Velona avy hatrany ny fifanandrinana sy ny fifanenjehana tao anaty haizina. Tamin’izany fotoana izany, ary nandritry io sakoroka io no latsaka tao anaty lavaka, fiadiana volamena ny iray tamin’ireo olon-dratsy. Iretsy ambiny kosa, rehefa tsy nahatohitra ireo mpiady vato tao amin’ity faritra ity dia rifatra nitsoaka, tsy nahazaka akory na dia tamingam-bolamena kely aza. Tetsy andanin’izay ihany koa, efa nigadona teny an-toerana ireo zandary. Tamin’ny famotorana natao ity jiolahy sendra ny sampona ity no nahafantarana sy nahafahana nitsimpona ireo olon-dratsy nandray anjara tamin’ity fanafihana ity. Niisa efatra izy ireo raha ny tatitra farany azo avy amin’ireo mpitandro filaminana. Olona tsy lavitry an’ity toerana fitrandrahana vatosoa sy harena an-kibon’ny tany ity ihany ireto olona ireto, raha ny fanampim-panazavana azo. Mbola mitohy ny famotorana sy ny fikarohana ireto olon-dratsy, saika handrava ny toeram-pitrandrahana vato tao Mangarano ireto.
m.L