Tsy nisy fandrahonana na fanambanana fitaovam-piadiana fa lasan’ireo olon-dratsy ny vola an-tapitrisany sy finday rehetra tao amin’ity cash point iray tao Mantasoa, ny andron’ny sabotsy lasa teo.
Hatreto dia mbola mahavalalina ny maro hatrany ny tranga niseho tao amin’ity toerana fakàna sy fandefasana vola, fantatra amin’ny anarana mahazatra hoe “cash point”, tao Mantasoa ity. Araka ny fitarainana nataon’ilay lasibatra teny anivon’ny zandary mantsy dia nisy olona nanafika ny tenany, saingy tsy nampiasa fitaovam-piadiana akory. Tokony ho tamin’ny iray ora tolakandro teo, nisy olona roa lahy nanatona ilay “cash point”, ary ilay iray ihany no niteny taminy. Tsy nisy fandrahonana velively tamin’izay fa nilaza io lehilahy io ny hanomezana ny vola rehetra tao amin’io toerana io, niaraka tamin’ireo finday fampiasany. Voalazan’ilay ramatoa, nitazona an’ilay cash point tamin’izay, fa toy ny tsy tompon’ny tenany izy fa dia nanome “an-kitsim-po” tokoa ireo zavatra nolazain’ireto olona. Vola mitentina eo amin’ny efatra tapitrisa ariary, izay miantoka ny fanodinana ity toerana ity, niaraka tamin’ireo finday rehetra tao an-toerana no “nomeny”. Efa lasa lavidavitra sy fotoana elaela vao tonga saina ilay lasibatra. Niezaka nanenjika ireto olona saingy tsy hita tany nanjavonana intsony ireto farany. Hany heriny dia nanatona ny zandary tao an-toerana ary nametraka fitoriana olona tsy fantatra. “Ny hany tadidiny, hoy ny fanazavana azo, dia toa hoe manao akanjo bà mainty ny iray amin’ireo lehilahy”.
Nandritra ny fotoana maromaro tokoa izay dia saika ireo “cash point” indray no ataon’ireo olon-dratsy mahita faisana mihitsy. Miroborobo tanteraka ihany koa ity asa iray, ary fantatr’ireo tontakely tsara fa tsy maintsy misy vola maromaro miasa ao. Raha ny mahakasika ireo teti-dratsin’ireo olon-dratsy, ankoatra ny fanafihana mivantana dia efa betsaka ihany koa ary misy isan-karazany mihitsy ny fisolokiana, ny fampiasàna hakingan-tanana, sns. Ity karazany iray niseho tany Mantasoa ity indray no vaovao vao mipoitra. Miara-milaza avokoa ireo izay nandre ny tantara fa mampiasa “ody gasy” ireo olon-dratsy, izay mampiraikiraiky izay olona ataony lasibatra sy tsy ho tompon’ny tenany intsony ary hanekeny izay rehetra lazain’ilay olona mampiasa izany.
Na dia zavatra sarotra inoana loatra aza dia fantatra fa efa nandray ny andraikiny ny mpitandro filaminana any an-toerana ary manao ny fanadihadiana rehetra mahakasika ity fahaverezam-bola ity.
m.L