- Publicité SW45 -
jeudi, décembre 12, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnkadinandriana : « Cash point » voasoloky 4 tapitrisa ariary

Ankadinandriana : « Cash point » voasoloky 4 tapitrisa ariary

Ampahany tamin’ireo hafatra fohy (sms) nalefan’ilay mpisoloky.

Ramatoa iray no voatery nosamborin’ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Ankadinandriana ny alatsinainy teo. Voarohirohy ho mpiray tsikombakomba tamin’ny fisolokiana toerana fakana sy fandefasana vola iray teny an-toerana ity farany, ny andron’ny alahady lasa teo. Volabe tokoa no lasa, satria tombanana ho eo amin’ny efatra tapitrisa ariary mahery teo ho eo no nalefa tany amin’ilay mpiray tsikombakomba azy, raha ny fanazavana azo hatrany.

Fandrebirebena. Tamin’ny andron’ny alahady io tokoa mantsy dia tonga teo amin’ny mpitantana ity « cash point » ity ilay ramatoa. Nilaza ny haka ny laharan’ny findain’io toerana io, satria misy olona voalaza fa mpiasan’ny tambajotran-tserasera iray eto an-toerana, handefa « bonus » ho azy. Niainga teo ny fifampiresahana sy fandrebirebena isan-karazany ary ny fehiny dia hoe hisy vola maromaro hampandalovina amin’ny « compte»-n’ity « cash point », ary halefa amin’ny olona isan-karazany. Ao anatin’izay dia mahazo « bonus » maromaro ilay « cash point » ambonin’ny vola hafa homen’ilay olona miresaka aminay (400.000 ariary). Raikitra ary ! Nahazo hafatra fohy na « sms » isan-karazany ilay tompon’ny « cash point », milaza vola miditra ao anatin’ny « compte »-ny. Tetsy andanin’izay kosa, nasain’ilay olona halefa amin’ny laharana maromaro ireo vola ireo. Rehefa vita daholo anefa izay dia hatairana ny an’ilay mpitantana fa tsy nihetsika, ary ny loza  dia vao mainka nihena be ny vola tao anaty « compte »-ny. Rehefa nohamarinina dia « sms » sandoka ireo tonga tany aminy. Nametraka fitoriana avy hatrany ity farany ary io niafara tamin’ny fisamborana ilay ramatoa voalohany io. Mbola mandeha kosa ny fikarohana ilay olona niresaka taminy tamin’ny finday nilaza ho mpiasan’ny tambojotran-tserasera.

Etsy andanin’izay, manentana hatrany ireo tompony sy mpitantana ireny toerana fandefasana sy fandraisana vola ireny ny eo anivon’ny mpitandro filaminana mba ho mailo hatrany, ary hanamarina foana ny « sms » voaray sy ny toe-bola ao anaty « compte ». Tsy kely lalana tokoa ary tsy misy tandroka foana mantsy mazàna ny ratsy …

m.L

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici