
Mila mailo ! Miova anarana, miova « fivarotana » ary miova laharana indray ingahirainy amin’izao, saingy ny tetikady fanjonoany olona mitovy hatrany ao anaty tambajotra sosialy ao. Entana mora dia mora any amin’ny faritra … Mameno ny tambajotra sosialy indray ny fitarainana mahakasika ilay mpisoloky malaza, mivarotra entana mora dia mora. Amin’izao « casque » môtô indray no lazainy fa amidiny. Milaza ho manana magazay mihitsy moa ingahirainy amin’izany ary entana vaovao no arantirantiny ao anaty tambajotra sosialy amin’ny vidiny mora, diso mora loatra indray aza. Hainy tsara ny mandroboka ireo lasibatra, amin’ny alalan’ny hoe, « magazay eto ananona izahay, ary manisy garantie ny entana. Izahay ihany no miantoka ny saran’ny fandefasana azy, sns ». Satria mazava ho azy, tsy ao amin’ny faritra misy ilay olona hividy no lazainy fa misy ny magazainy. Ny fanaony matetika dia na any Ankazobe na Fianarantsoa, na Sambava … ary ny mahagaga dia misy sary maromaro mihitsy ataony porofo. Rehefa roboka amin’izay dia asainy mandefa vola aloha amin’ny alalan’ny « mobile money » vidin’ny entana hafarana. Kanjo rehefa lasa ny vola dia izay ny aminy. Tsy mamaly antso na « message » intsony ary kelikely eo dia maty tanteraka ilay pejin’ilay voalaza fa tranombarotra ao anaty facebook. Raha ireo karazana fitairanana anaty FB ao no atambatra, hatramin’izay dia mety efa nahazo an-tapitrisany maro dia maro ihany ingahy. Raha tsiahivina mantsy, tany amin’ny fiara sy môtô misy vitesse no tena fanaony teo aloha teo. Ary ny vidin’ny solika, voalaza fa hanaterany ilay fiara na môtô any amin’ireo « tompony vaovao » no lasan’ingahirainy ambongadiny foana satria rehefa raikitra ny varotra dia asainy mandefa solika aloha ilay olona. Efa ataon’ny maro, izay mahafantatra, fihomehezana fotsiny moa sisa ny rantiny anaty facebook ao. Ankevitry ny tsy nahajono intsony angamba ranamana ka io niova zavatra hamidy io indray. Ny mahagaga dia efa an-taony maro ihany no nanao ny asa ratsiny ity/ireto mpisoloky ireto, ary mampiasa laharana finday misy anarana mazava, handefasana vola izy ireo. Hatreto anefa, tsy mbola nisy tratra na iray aza …
m.L