Nohon ny fahasimban’ny efitrano fianarana ravan’ny rivo-doza farany teo iny, ka mbola tsy mety vita hatramin’izao na dia teo aza ny fampanantenana isan-karazany, dia halefa mody foana ireo mpianatra miisa 160, ka kilasy 3 ème ny 40 amin’ ireo any amin’ny CEG Ankatafana, ZAP Tsaravary ao anatin’ny Cisco-n’ny Mananjary. Mitete ny lakilasy fa lasan’ny Enawo ny tafo ka lasa dibo-drano amin’ny oran-mikija mateti-piavy amin’izao fotoam-pahavaratra izao. Araka ny tati-baovao azo avy an-toerana, dia labasy miisa telo avy tamin’ny UNICEF no nalefan’ny Minisitera niaraka tamin’ireo “kits” ho an’ity sekolim-panjakana manamorona ny ranomasina ity, kanefa tsy mahavaha olana io labasy kely io rehefa latsaka ny orana, satria tsy maharakotra ny trano roa mitafo lanitra izay samy mirefy 18m avy. Noho ny tsy fahampian’ny dabilio ihany koa dia milandina an-tany milafika mipetraka mifotetaka amin’ny simenitra dibo-drano ny ankamaroan’ ireo mpianatra. Mba hitandrovana ny fahasalaman’ireto ankizy mangatsiaka ao an-dakilasy, ary lena ihany koa ny fitaovam-pianarana sy ny vantana, dia voatery ampodian’ ny mpampianatra ireo mpianatra. Manoloana ny zava-misy iainana ankehitriny, dia manao antso avo amin’ny fitondram-panjakana sy miangavy ary mitalaho amin’ izay malala-tànana sy tsara sitrapo ny mpianatra, ny Ray aman-dreny ary ireo mpampianatra mba hamahana ny olam-pijaliana haingana, satria anisany mampitsoaka an-daharana ny mpianatra ny fahakiviana. “ Mitalaho sy mangataka tafo fanitso izahay ary aza atao ankilabao, satria voafetra ihany ny fahefa-mividinay amin’ny fandraisana andraikitra amin’ny alalan’ny tsipaipaika “, hoy ireo Ray aman-drenin’ny mpianatra nampita ny vaovao.
Eric Manitrisa