- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversCeg Betafo : Notoloran’ny orinasa ARTIC boky Malagasy

Ceg Betafo : Notoloran’ny orinasa ARTIC boky Malagasy

Fanolorana ireo boky ho an’ny sekoly. ( sary Andry N)

Misedra olana goavana ny CEG Betafo na eo amin’ny lafiny fotodrafitrasa izany na ny fitaovana hoentina manabe ny ankizy. Ity sekoky ity izay be mpianatra indrindra raha ao amin’ny kaominina ambonivohitra Betafo. Izany no nanosika ny orina ARTIC hanolotra boky Malagasy ho an’ny sekoly. Boky Malagasy ampiasana amin’ny fandaharam-pampianarana rahateo izy ireo ka ny kilasy faha 6 ka hatramin’ny faha 9 dia nisitraka izany avokoa. Miisa 70 ireo boky, Malagasy ireo mifanaraka amin’ny fandaharana ampianarina ny ankizy, toy ny Bina sy Kemba, lovako ary lavan-kombarika. Boky Malagasy no natolotra hoy ny telen’ny orinasa ARTIC Andriamanalina Zaka Bary jaona satria ahafahana mitaiza ny ankizy mba handalina ny maha Malagasy sy hahay hifehy ny teny Malagasy no tanjona; Sarotra ny nanangonana ny boky hoy hatrany ny talen’ny orinasa satria 2 taona teo vao voahangona ireo boky ireo, na tany amin’ny fivarotam-boky aza dia vitsy dia vitsy no hita.

Fiaraha miasa tamin’ny ben’ny tanan’ny kaominina no nahazoana ireo boky ireo, ity farany izay filohan’ny FRAM rahateo izy no nanelanelana tamin’ny fangatahana fanohanana tamin’ny ARTIC. Tsy vao sambany rahateo no nisy ny fanohanana fa ny orinasa no niantoka ny fandokoana ny kaominina, ity orinasa Malagasy ity izay misehatra eo amin’ny lafiny loko.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici