Taorian’ny fanambaran’ny fanjakana ny fiverenan’ny fampianarana izay natokana ho an’ireo hanala ny fanadinana ara-panjakana aloha, dia tao amin’ny CEG Ratsimilaho Tanambao V no nosantarina izay fidiran’ny mpianatra taorian’ny fotoan’ny fihibohana iray volana izay. Maro ny fepetra tsy maintsy noraisina amin’izany ka isan’izany ny fizarana aro vava roa avy sy savony iray avy isaky ny mpianatra sy ny mpampianatra misahana ireo kilasy ara-panadinana. Misy koa ireo fitaovana fanasana tànana ho an’ny sekoly ka samy manana telo avy izany isan-tsekoly. Raha ho an’ny CEG Ratsimilaho, dia miisa 844 ny mpianatra kilasy taona fahatelo eo amin’izy ireo, ka nozaraina mpianatra 35 isaky ny kilasy izy ireo ho fanajana ilay iray metatra isaky ny mpianatra. Saika omaly maraina avokoa no naka ny fandaharam-pianarana amin’izao fiverenana mianatra izao ireo mpianatra hiatrika ny fanadinana. Ankoatra izay, dia hosantarina ao amin’ny Lisea Jacques Rabemananjara Salazamay atsimo, ny fizarana ilay CVO ho an’ny mpianatra hiarovana azy ireo amin’ny coronavirus, anio alakamisy. Tsy an-tery anefa ny fisotroana azy io hisorohana ny ahiahy ho an’ireo mpianatra, hoy ny governora, saingy tsy tokony hanahy ny ray aman-dreny fa tsy hamosavy na hanao izay hankarary ny zanany izany ny fitondram-panjakana eto.
Malala Didier