“Ao anatin’ny tokotan’ny sekoly ny anareo, ny ivelany dia an’ny kaominina, ka izahay no mametraka izay tianay hapetraka eo, fa tsy afaka mandidy anay amin’izany ianareo sy ny talem-paritra ary ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena”, izay no nambaran’ny sekretera jeneralin’ny kaominina Rakotomalala Georges, izay mpampianatra teo aloha tao amin’ity CEG Ratsimilaho ity, nisolo tena ny ben’ny tanana Dr Ratsiraka Elise Laurent. Raha ny hita dia nametrahan’ny kaominina mpivarotra voninkazo izay efa manana ny tsenany ao Bazary be sy Bazary kely ary Bazary Ankirihiry eo ivelan’ity sekoly ity. Efa samy nanao ny trano eva fivarotany ireo mpivarotra nahazo izany, na zara fa vita aza no nanaovana azy, nefa an-tampon-tanana no misy ilay toerana. Tsy sambany anefa izao famarotan’ny kaominina ireo toerana malalaka misy eto Toamasina amin’ireo mpivarotra “mibizina” amin’izy ireo, ka isan’izany ny sisin’ny hopitaly kely lasa fivarotana fiara efa tonta, ny eny amoron-dranomasina izay lasa trano fisotroana sy fidorohana, ny toerana fiantsonan’ny fiara ao Bazary kely izay lasa an’olon-tsotra nananganana trano eva fananan’olona tsy miankina. Saika lasan’ireo Mpibizina” mahasahy mandoa vola “1.000.000 ariary” sy “3.000.000 ariary” arakaraka ny toerana safidin’ireo mpivarotra ny ankamaroan’ny sisin-dalana eto Toamasina. Milaza ny tsy hanaiky izao fametrahana fivarotana manodidina ny tokotanin-tsekoliny izao ireo mpampianatra sy ireo mpanabe ary ireo ray aman-drenin’ny mpianatra ao amin’ity CEG Ratsimilaho, koa ahiana izany ny hisian’ny sakoroka amin’ny fotoana hivarotan’ireto mpivarotra ireto ao amin’ity trano eva vita ity. Ankoatra ireo, na eo aza ny fakana vola etsy sy eroa dia mbola fako sy loto no iainan’ny mponina 21 andro aty aorian’ny fandaovan’ny rivo-doza “AVA”.
Malala Didier