- Publicité SW45 -
jeudi, juillet 4, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-Divers« Ceni » nisy nandoro : Tafakatra 40 any ho any ireo olona nohenoina

« Ceni » nisy nandoro : Tafakatra 40 any ho any ireo olona nohenoina

Tapa-bolana latsaka taoriana, mbola tena ao anatin’ny famotorana tanteraka ireo mpitandro filaminana, pôlisy sy zandary ao Ambovombe Androy mahakasika ilay tranga fahamaizan’ny biraon’ny Ceni tany Tsihombe, ny ampitson’ny fifidianana solom-bavambahoaka. Araka ny angom-baovao azo avy amin’ny namana tany an-toerana, tao anatin’izany fotoana izay dia efa tafakatra efapolo isa tany ho any ireo olona henoina eny anivon’ny biraon’ireo mpanao famotorana. Raha notazomina natao andrimaso  ny sasantsany, ny hafa kosa natao famotorana fotsiny ary nalefa nody. Avy any Tsihombe avokoa ireo olona ireo, ary nampiakarina ao Ambovombe ho amin’ny famotorana azy. Mahakasika an’ireo kandida solombavambahoaka voarohirohy sy voatazona noho ity raharaha ity kosa dia nilaza ny  tompon’andraikitra teo anivon’ny mpitandro filaminana fa tsy afaka milaza na inona na inona izy ireo. « Ny azo tenenina hatreto dia mandeha amin’ny antsakany sy andavany ny fanadihadiana mahakasika ity raharaha ity ary hampitain’ireo tompon’andraikitra mahefa eo foana ny valiny, aorian’izay», raha ny fanazavana nentin’ny Kômandin’ny vondron-tobim-pileovan’ny zandary any Androy tamin’ny alalan’ny antso an-tariby omaly. Tsiahivina fa miara-misalahy amin’ny famotorana ny eo anivon’ny zandary sy ny pôlisy any an-toerana, ary ny Fampanoavana no manao ny fanenjehana.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici