- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversCEPE sy BEPC : Notolorana maripankasitrahana ireo sangany tao Atsinanana

CEPE sy BEPC : Notolorana maripankasitrahana ireo sangany tao Atsinanana

Nosafidiana manokana ny andron’ny alarobia 1 septambra fiatombohan’ny taom-pianarana, araka ny tapaka teo anivon’ny ministera, nanolorana ireo maripakasitrahana ho an’ireo « sangany » tamin’ny CEPE sy ny BEPC teo anivon’ny faritra Atsinanana.

Misy fito avy ireo « sangany » avy amin’ny Sisco isaky ny distrika fito, Toamasina I – Toamasina II – Brickaville – Vatomandry – Antanambao Manampontsy – Mahanoro – ary Marolambo,  ho an’ny faritra Atsinanana teo anivon’ny CEPE sy ny BEPC. Mananika ny 19,9/20 ny isa farany ambony teo anivon’ny CEPE, azon’ny mpianatra avy ao amin’ny sekolin-dry masera « Saint Joseph de Cluny » Anjoma. Tsy lavitra izany fa 18/20 izany ho an’ny teo anivon’ny BEPC, ka mpiadina avy eto Toamasina I hatrany no nahazo izany.

« Fambolena fahombiazana » (culture d’excellence) amin’ireo ankizy sy tanora no tanjona nanaovana izao hetsika izao, hoy ny governoran’ny faritra Atsinanana, Atoa Rafidison Théodore, izay nohamafisin’ny talem-paritry ny fanabeazana ihany koa. Mafy tamin’ny faritra Atsinanana iny taona lasa sy ity taona ity noho ireo valanaretina niteraka fihibohana sy fahatapatahan’ny fampianarana tamin’ny mpianatra, nefa izao no vokatra azo tao anatin’izany noho ny ezaky ny rehetra. Tsy nisy afa-tsy ny fampianarana ihany no ahafahan’ny faritra Atsinanana mandroso sy mampandroso azy, ka ezaka maro no efa natao sy mbola atao mikasika izany.

Ankialan’ireo efitran-tsekoly namboarin’ny fanjakana amin’ny alalan’ny ministera sy ny fiadidiana ny repoblika amin’ireo distrika maromaro ho an’ny faritra Atsinanana, dia hisy koa ny fanamboarana tranon-tsekoly miisa 20 eo hiarahana amin’ny banky iraisam-pirenena amin’ny alalan’ny « FID », ao amin’ny distrikan’Antanambao Manampontsy. Mametraka ny lafiny fampianarana ho zava-dehibe ny fanjakana amin’izao, hoy ny governora. Misy ny fizarana « kits scolaire » sy ny fanamiana samihafa.

Ankoatra izany dia nisaoran’ny governoran’ny faritra ireo orinasa samihafa niara-nisalahy tamin’ny faritra nahatontosa izao lanonana fizarana maripankasitrahana ho an’ireo « sangany » miisa fito avy tamin’ny CEPE sy BEPC ho an’ny faritra atsinanana ity.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici