- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversCFM tao Toamasina : Tokony hifanampy amin’ny kere any atsimo isika

CFM tao Toamasina : Tokony hifanampy amin’ny kere any atsimo isika

Nanao antso avo ny filoha lefitra ny komitin’ny fampihavanam-pirenena avy eto Toamasina (CFM), Atoa Rasolondraibe Jean Jacques, amin’ny tokony hifanampiantsika Malagasy amin’ny havantsika kere any atsimo. Tsy mifidy ny fanampiana azo atao, fa izay foy rehetra dia azo atolotra avokoa hoy ny CFM, ka haterina eny amin’ny birao rezionaly BNGRC izany fanampiana avy amin’ny vahoaka izany. Efa nahavita ny azy ireto mpikambana amin’ny CFM ireto noho izy ireo mpanentana amin’izao fifanampiantsika Malagasy izao. Ankilan’izany dia nanao antso avo ny mbola hanajana ny fepetra ara-pahasalamana momba ny “coronavirus” izy isan’izany ny fanaovana aro-tava, sy fielanelanana 1m, ary ny fanasana tanana matetika. Tena mbola eto amintsika ny valanaretina covid-19 hoy ny CFM, satria ny herinandro nivalona teo dia isany nahitana tranga ny teto amin’ny faritra atsinanana na telo aza no hita niabo tamin’izany, niisa 19 kosa ny tao amin’ny faritra Alaotra tamin’izay, ary mbola nahitana tranga olona 5 matin’izany covid-19 izany. Ankilan’izay dia nanentana ny mpifidy vaventy hamita ny adidiny amin’ny fifidianana senatera ny 11 desambra ho avy izao ny CFM teto Toamasina. Adidy goavana ho an’ny mpifidy vaventy izany ka mila manefa ny adidiny izy ireo, ary sahy haneho ny heviny amin’izay kandida tiany amin’izany senatera izany. Tsara ny fisian’ny hevitra tsy mitovy satria mariky ny demokrasia izany hoy ny CFM, saingy tsy eken’izy ireo kosa ilay fidongiana tsy mifidy tian’ny sasany atao noho izany mety hiteraka zava-doza eo amin’ny fanaovana politika eto amintsika. Efa nitenin’ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana, ka tsy afaka hanohitra izany intsony ny CFM amin’ny maha-komity ny fampihavanam-pirenena mandala ny lalàna azy ireo.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

3 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici