Nilatsaka ny fanapahan-kevitr’ireo mpitsara mpanao famotorana tetsy amin’ny « Chaine pénale anti-corruption » 67ha, omaly, mahakasika ireo raharaha nahavoarohirohy an-dRtoa Claudine Razaimamonjy. Famonjàna vonjimaika eny Antanimora ! Torana avy hatrany tsy nahatsiaro tena ity mpanolotsaina manokanan’ny Filoha ity teo am-pandrenesana izany fanapahan-kevitr’ireo mpitsara izany.
Tsara ambina dia tsara ambina tokoa ity toeram-pitsaràna manokana mahakasika ny resaka kolikoly, tetsy 67ha ity omaly, nandritra ny fihainoana an-dRtoa Claudine. Raha tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany, ny fotoana nifanomezana nitondran’ireo olona avy ao amin’ny Bianco azy teny amin’ity toerana ity, dia tamin’ny 12 ora tany ho any vao nigadona teny an-toerana ny fiara nitondra azy, narahin’ireo fiarana mpitandro filaminana marobe. Naharitra ora enina mahery teo ny nihainoana an’ity tompon’ny hôtely A&C ity teny an-toerana. Tamin’ny dimy ora sy sasany hariva teo no nanapa-kevitra ireo mpitsara ny hampiditra azy, vonjimaika eny Antanimora mandra-piandry ny fotoam-pitsaràna. Tamin’io fotoana io ihany koa no nitambotsotra ho azy teo am-pandrenesana izany Ramatoa Claudine. Iza tokoa moa no nanampo, ary mainka fa ny tenany ! Teo anatrehan’izany dia nangataka ny mpisolo vava azy ny mba hitondràna azy maika any amin’ny hôpitaly. Nisy ny fifampiresahana teo amin’ny Bianco sy ity farany. Antsasak’adiny taty aoriana, mandra-piandry ireo mpitsabo sy ny fiara hitondràna azy, no niainga teny 67ha, ho any amin’ny hôpitaly Hjra Ramatoa, izay mbola tsy nahatsiaro tena. Manoloana ireo fihetsiketsehana, mitaky ny hamotsorana azy, teny an-toerana sy ny fitandroana ny tsy hitaran’ny raharaha dia mpitandro filaminana marobe miatrana am-bava basy foana no miambina ity ramatoa iray ity. Hatramin’ny fotoana nanoratanay dia fantatra fa mbola nanaraka fitsaboana eny Ampefiloha Rtoa Claudine, izay efa nahatsiaro tena, araka ny angom-baovao voaray. Marihana fa vesatra efatra no anenjahana an’ity ramatoa mpandraharaha goavana ity. Ao anatin’izany ny resaka kolikoly, ny famotsiana sy ny fanodinkodinam-bola ary fanamparam-pahefana.
m.L