Tsy fandrobana akory no anton’ilay fampiasana basy. Tao amin’ny efitrano fandriam-bahiny iray etsy Andavamamba, ny alin’ny alatsinainy hifoha talata teo, dia nisy telo lahy izay niaraka tamin’ny vehivavy izay handeha hanofa tao. Rehefa nangatahin’ny “réceptionniste” ny kara-panondron’izy ireo, araka ny fitsipika amin’ilay toerana, dia tezitra ireo olona ary nanao vavabe. Tsy nanome hatramin’ny farany ny taratasy izay nangatahina taminy izy ireo ary nitonona ho zandary. Tsy vitan’izay aza fa mbola namoaka ny basy teny amin’izy ireo ary nanambana an’izany ilay madama. Voatery niantso ny polisy avy eo amin’ny hery vonjy taitra io ramatoa io ka teo anelanelan’ny fahatongavan’ireo mpitandro ny filaminana sy ny fiantsoana azy ireo no tafatsoaka ireo telo lahy sy ny vehivavy izay nentin’izy ireo. Raha nanontaniana ny sampan-draharahan’ny seraseran’ny zandarimaria momba ity tranga ity, dia nisy niantso tokoa ny zandarimaria etsy Mahamasina momba io tranga io ary tonga faran’izay haingana mba hisambotra sy handray andraikitra amin’ny hanasaziana izay zandary tafiditra amin’ny raharaha. “Rehefa teny an-toerana anefa dia tsy voamarina ny fisian’ny zandary tao ary raha nisy tokoa izany dia olona tsy manaiky nampiseho karatra ka nisandoka ho zandary mba hialany amin’izany. Faharoa, rehefa niantso vonjy tamin’ny polisy ilay ‘réceptionniste’ hoe misy mandrahona amin’ny basy, dia tsy maintsy ho marobe ny mpitandro ny filaminana izay nirongo fiadiana tonga teny, toy ny efa fanao mahazatra ary tokony hosamborina ireo milaza fa zandary ireo ka rehefa tonga teny amin’ny tobin’izy ireo dia nantsoina amin’izay ny zandarimariam-pirenena mba haka azy ireo” raha araka ny fanazavana ihany. Raha fehezina izany ny fanazavan’ny seraseran’ny zandary, dia tsy voamarina ny fisian’ireo lehilahy ireo tao amin’ny hotely ary raha nisy dia tsy voamarina koa izay maha-zandary azy ireo. “Na izany na tsy izany, dia tsy mba naman’ireo mpanafina jiolahy ao aminy ny zandary ka raha misy ny hirika hahalalana ireo olona ireo ka voamarina tokoa dia tsy ho afa-maina, fa handraisana fepetra toy ireo izay efa nihoa-pefy rehetra hatrizay ka sady higadra no ho voaroaka” raha araka ny sampan-draharahan’ny serasera hatrany.
D.R