- Publicité SW45 -
vendredi, mars 14, 2025
AccueilÀ lireChef Marius : Naratran’ny mpanendaka telo lahy

Chef Marius : Naratran’ny mpanendaka telo lahy

Toy izao ny ratra nahazo azy…
Toy izao ny ratra nahazo azy…

Vaky ny lohany ary naratra ihany koa teo ambanin’ny masony. Novelesin’ny mpanendaka tamin’ny vy i Marius Rafiakarana.

Vaky ny lohany ary nisy naratra ihany koa teo ambanin’ny tetamasony. Izany dia vokatry ny herisetra nianjady taminy nandritra ny asan-jiolahy nitranga tetsy Antaninareina ny alin’ny alatsinainy teo. “Avy namonjy fety izaho sy ny namako. Efa-dahy izahay no handeha hihazo an’Analakely. Tsy lavitra akory ny banky BOA, raha saika hamonjy tohatoha-bato, dia nisy lehilahy miisa telo avy hatrany dia nandrahona anay tamin’ny fitaovam-piadiana. Lasan’ireo ny finday tety aminay”, hoy ny fanazavan’ny Maître Marius Rafiakarana, mpikarakara sakafo fanta-daza eto an-drenivohitra. Nanohitra io farany ka teo no nisy fifanandrinana izay niteraka ratra. Voavelin’ny vy teo amin’ny lohany. Nijininika ny rà ary voatery nentina haingana teny amin’ny toeram-pitsaboana izy, dia nozairina. “Tena asan-jiolahy no nitranga fa tsy sanatria akory fifofoana ny aiko. Na izany aza dia efa tokony hahatonga saina raha ny tsy fandriam-pahalemana mitranga eto an-drenivohitra”, hoy hatrany ny Chef Marius Rafiakarana, manazava ny heviny. Mitombina tokoa ny fijeriny satria raha oharina tamin’ity tranga ity dia tsy mifidy toerana sy isan’ny olona intsony ny olon-dratsy rehefa manao ny asany. Manazava an’izany ny zava-nisy  tetsy Antaninarenina : efa-dahy sahin’ny olona vitsy noho izy ireo tafihana, indrindra koa efa-dahy  maronjana ihany. Matetika loatra ny fanendahana mitranga eto an-drenivohitra ary raha ny zava-misy aza dia tsy misy tsy faritra mena intsony eto Antananarivo. Asa, hatraiza ary iza amin’ireo kandidà ho filoham-pirenena sy ho depiote no mba manana drafitr’asa maty paika mahakasika ny ady amin’izany…

D.R

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser