Kapa lasan’ny rano, aina telo no indray nafoy ! Loza mahatsiravina no nitranga tao amin’ny Chute de la Lily, tao Amparihy, distrikan’Analavory ny alahady teo, tokony ho mitataovononana tany ho any. Ankizilahy telo, 15 taona, 17 taona, ary 18 taona no indray namoy ny ainy, rehefa natelin’ny rano, teo amin’io toeram-pitsangantsangana, mampalaza ny faritra Itasy io. Araka ny fampitam-baovao azo avy amin’ny mpitandro filaminana dia niezaka naka ny kapa lasan’ny rano ny iray tamin’izy ireo no latsaka an-drano ary tsy nipoitra intsony. Nahita izay ireo namany ka niezaka namonjy ity farany saingy indrisy fa niara-tsy nipoitra sy sempotry ny rano tao izy telo mirahalahy. Samy nikoropaka nanao ny famonjena avokoa moa ireo nanatri-maso ary nampandre avy hatrany ny mpitandro filaminana. Saingy efa vatana mangatsiakan’izy telo lahy sisa no nampiakarina avy any anaty rano. Marihana fa mpinamana izy ireo ary samy mpino amina fiangonana iray etsy 67ha. Nanantanteraka fitsangantsangana hiarahana tany an-toerana ny mpino tao amin’io fiangonana io tamin’io andron’ny alahady io, araka ny vaovao azo. Indrisy anefa, razana telo be izao no nentina nody. Natolotra ny fianakaviany tsirairay avy moa ny razana taorian’ny fitsirahana nataon’ny mpitsabo. Efa nisokatra torak’izay ihany koa ny fanadihadiana mahakasika ity tranga ity.
m.L



