Mandringa indray ny fanabeazana eto Antsirabe noho ny afitsoky ny fitondrana fa ireo mpampianatra mihitsy no tsy norarahiana tsy nasiana vidiny ka niteraka fanafintohinana azy ireo ka izao nitaraika azy ireo tsy niatrika ny fiofanana ara pedagojika izao.
Toy ny fanao dia misy hatrany ny antsoina hoe “journée pédagogique” na JP rehefa ankatoky ny fidiran’ny mpianatra tahaka izao. Isaky ny ZAP no fanaoavana azy rah any fanazavana voaray saingy tamin’ity indray mitoraka ity dia nangonina tamina toerana iray ny ZAP maromaro, isan’ny nandray izany ny EPP ao Tsaravavaka Andranomanelatra ka manodidina ny 15 ny ZAP tonga tao. Fantatra fa nisy ihany koa tao Soanindrariny. Hateloana no faharetan’ny JP saingy tsy tonga tamin’izany ity fiofanana ity fa vao nanomboka dia rava noho ny tsy firarahiana ataon’ny fanjaka asy ny ministeran’izy ireo.
Maro amin’ireo mpampianatra no mandeha tongotra ampolo-kilaometatra maro vao tonga amin’ilay toerana nefa dia mianto-tena , na saran-dalana izany na solon-tsakafo na solom-paladia dia tsy misy fa 00 ariary araky ny fiteny.
Taoarin’ny dinika nataon’ireo mpampianatra dia tapaka tamin’ny alalan’ny tsangan-tanana fa tsy hanaiky izao tsy firarahiana izao intsony izy ireo ary nanapa-kevitra ny hitokona tsy handray anjara amin’ilay JP. Sokajian’izy ireo ho fanaovana tsinontsinona azy ireo ireo ny tahaka izao ary tsy hanaiky lembanana intsony ny mpampianatra indrindra ny fanaovana ramatahora azy ireo rehefa manao fitakiana tahaka izao. Nanamafy izany ny vondrona sendikaly Aneffa fa tsy rariny ny zavatra tahaka izao ary efa ela nandeferana ireo mpampianatra ireo.
Nilaza ny hidina ety ifotony ny minisiterana hijery ny zava misy raha ny vaovoa fantatra avy amin’ny tompon’andraikitr avy ao amin’ny Cisco Antsirabe II ka andrasana izay tohiny.
Andry N