Niteraka resa-be ary mbola tsy nahitana vahaolana ny tsy fahavitan’ny fifamindram-pitanana eo anivon’ny faripiadidiam-pampianarana Antsirabe I. Raha ny angom-baovao voaray dia tsy misy olana eo amin’ny roa tonta, ny filohan’ny CISCO teo aloha sy ny vao hiditra, fa idiran’ny resaka politika ny raharaha. Raha toa ka ny 28 aprily 2021 no voalaza fa nivoahan’ny taratasy avy tamin’ny ministera mampiato ny lehiben’ny Cisco Antsirabe I dia ny ny 6 may kosa no samy nampahafantarina ny roa tonta. Araka ny vaovao voaray hatrany dia ny zoma 7 may 2021 no nandalo tao amin’ny faripiadidiam-pampianarana ny sefo CISCO vaovao nitondra ny taratasy fanendrena sy nampilaza fa hiroso amin’ny famindram-pitantanana ny alatsinainy 10 may 2021. Ny alahadin’io anefa dia nilaza ny DREN fa ajanona aloha ny famindram-pitantanana ary hatramin’izao dia tsy tontosa izany. Raha ny fantatra dia resaka politika no antony. Mpitondra iray goavana eto Vakinankaratra sy mpiara-miasa aminy akaiky no voalaza fa ao ambadik’ity raharaha ity. Nambara mantsy fa tsy olony ity notendrena ho lehiben’ny Cisco eto Antsirabe I ity ka tsy ekeny . Marihina anefa fa samy IRD avokoa ireo olona ireo fa tsy hafa akory. Tsikaritra rahateo fa somary efa mibaribary ihany ny tsy fitovian-kevitra sy fomba fijerin’ny olomboafidy sy olona notendrena eto amin’ny tanànan’Antsirabe, na dia samy ao anatin’ny fitantanana aza izy ireo. Andrasana noho izany ny tohin’ny raharaha.
Andry N.