- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversCisco-Fort Dauphin : Fikambanana lafa, nanolotra “kit scolaire” hoan'ny mpianatra 200

Cisco-Fort Dauphin : Fikambanana lafa, nanolotra “kit scolaire” hoan’ny mpianatra 200

Nanomboka ny asa sosialy ataony ny fikambanana L.A.F.A.(Longo Avoty ny Faritra Anosy).Ny zoma teo no nizara ireo fitaovam-pianarana hoan’ireo zanaky ny sahirana amin’ny fivelomana ity fikambanana iray ity. Misy roan-jato mianadahy no notolorana ireo fitaovana ireo. Fitaovana toy ny kahie, stylo, ary kojakoja maro samihafa. Kaominina dimy no iasan’ny fikambanana fa ny telo amin’ireo no notolorana :Fort dauphin an-tampontanana, Ampasy Nahampoana ary Mandromoromotra. Saika ankizy avy amin’ireo E.P.P. sy sekoly tsy miankina no nahazo ny fanomezana.Misy ny lanonana tsotra nefa nanana ny maha izy azy.Tao amin’ny tokotanin’ny Lycée Pôle Tanambao no nanaovana ny lanonana. Mahatsiaro ho manana adidy amin’ny fiarahamonina indrindra amin’ireo zanak’ireo sahiram-pivelomana ny Fikambanana L.A.F.A. Izany indrindra no nanosika ny fikambanana tarihiny hoy ny Filohany Ramatoa Nirina Raoenarisoa. Ezaka manokan’ny fikambanana sy ny tolo-tanan’ny UNICEF sy ireo Tsara sitrapo no nahatontosana ny hetsika. Lanonana natrehin’ireo olomanankaja.Ny tolakandron’io ihany nidina tany amin’ireo kominy roa voalaza aloha. Afapo ireo Ray aman-drenin’ny mpianatra .

RFa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser