- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversCISCO Toamasina I : 80,32% ny taha-pahafahana

CISCO Toamasina I : 80,32% ny taha-pahafahana

Nivoaka ny sabotsy teo ny valim-panadinana CEPE ho an’ny CISCO Toamasina I, taorian’ny “deliberation” nataon’ireo mpampianatra mpitsara ny fanadinana sy ireo mpikirakira ny fanadinana ary ny lehiben’ny CISCO. Nivoaka tamin’izany fa nahatratra 80,32% ny tahan’ny fahafahana fanadinana, satria ny 6.094 tamin’ireo niatrika ny fanadinana niisa 7.587 tamin’ireo nisoratra anarana niisa 7.790 no afaka soa aman-tsara. Raha nitaha ny taona lasa izany dia nahita fidinana 06,32% teo satria nahatratra 86,60% ny taha-pahafahana ny taona 2022 io. Raha ny vinan’ny CISCO Toamasina I dia hivoaka amin’ity herinandro ity indray ny valin’ny fifaninana hidirana taona faha-6 eny amin’ireo CEG. Nambaran’ny lehiben’ny CISCO Toamasina I, fa niarahaba ireo ankizy afaka fanadinana, nefa namporisika hiezaka bebe kokoa ihany koa ireo tsy nahomby.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici