Araka ny tapaky ny mpampianatra ara-panatanjahantena sy ny Sisco Toamasina I eto Toamasina, dia nanomboka ny alatsinainy 03 aogositra teo ny adina ara-panatanjahantena ho an’ireo mpianatra hanala ny fanadinana BEPC eto Toamasina I. Mpiadina miisa 4.717 no nisafidy ny adina ara-panatanjahantena eto Toamasina I, ka nanomboka omaly izy ireo no manao izany amin’ireo toerana voafidy mialoha anaovany izany. Tsy maintsy misafidy adina iombonana iray, sy adina manokana iray, ary ny hazakazaka 800m ho an’ny lehilahy sy 600m ho an’ny vehivavy, tsy maintsy atao ireo mpiadina mandritra izany. Efa ny herinandro nivalona iny no nozaraina ireo taratasim-piantsoana ho an’ireo mpiadina nisafidy ny adina ara-panatanjahantena, ka samy efa mahalala tsara ny toerana anaovany izany adina izany ireo mpiadina nisafidy hanao izany eto Toamasina.
Malala Didier