- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversCisco Toamasina : Namendraka fanafody ireo sekoly ny kaominina

Cisco Toamasina : Namendraka fanafody ireo sekoly ny kaominina

Vao nilaza ny filoham-pirenena fa miverina mianatra ireo kilasy hiatrika ny fanadinana noho ny datim-panadinana tsy nisy niova eto amintsika amin’izao valanaretina Covid-19 izao; dia efa nametraka paikady entina hamendrahana fanafody ireo sekoly ny kaominin’i Toamasina renivohitra, hoy ny ben’ny Tanana Rakotonirina Nantenaina Herilala. Nanomboka ny alatsinainy vokatra izany dia efa natomboka izany ka sekoly 16 no namendrahana izany ny andro voalohany, saingy nitohy ny talata sy ny alarobia izany amin’ireo sekoly hafa na miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana. Raha ny fandaharam-potoana nomen’ny Dren atsinanana izany araka ny fandaminana avy amin’ny ministera ny fanabezam-pirenena, dia omaly alarobia vao tena niditra an-tsekoly ireo sekolim-panjakana sy ireo sekoly tsy miankina sasany, ho an’izany mbola tsy niditra ny talata teo. Mbola maro mantsy ireo sekoly tsy maintsy mbola nandamina ny programam-pampianarany mifandraika amin’ny toro-mariky ny ministera nampitainy Dren atsinanana tamin’izany. Ho an’ireo mpianatra hanala fanadinanana miverina an-tsekoly dia tsy misy ny atahorana mikasika azy ireo, fa efa napetraka avokoa ny fiarovana rehetra ka isan’izany ny famendrahana fanafody “virokil” ireo sekoly rehetra. Eo koa ireo sekoly manara-maso ny fampiasana ny arovava orona sy ny fampiasana ny fanasana Tanana any an-tsekoliny avy.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici